Tanora mihetraketraka ao Antsiranana

Tovolahy 5 indray no naiditra am-ponja


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Miisa 5 indray ireo andiana tovolahy mpanao herisetra ao Antsiranana

no fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika. 11 ka hatramin’ny 21 taona izy ireo izay mitondra ny anarana hoe : 𝗧𝗲𝘅𝗮𝘀 𝘀𝘆 𝗟𝗼𝗻𝗱𝗿𝗲. Raha araka ny fantatra dia mitora-bato mandratra mihitsy izy ireo, tena tia adiady ihany koa raha toraka izay ny 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗺𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 samy ao anatin’ny distrikan’𝗔𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 I. Voalaza koa fa indraindray izy ireo dia manao sinto-mahery miaraka amin'ny zava-maranitra. Mandrava olona eny amin'ny fokontany ihany koa ka lasa matahotra ny vahoaka tsy misy sahy mivoaka ny trano amin'ny alina intsony. Tsiahivina moa fa tsy mety tapitra ireo andian-jatovo mpanao herisetra ao Antsiranana ao. Rehefa mihetsika izy ireo dia mila ho leo mihitsy ny mponina, tranga miainga eny anivon’ny fiaraha-monina mipaka hatreny amin’ny sekoly, fokontany, fiangonana….Ny fanabeazana ireo tovolahy tsy ampy taona mihitsy noho izany no hangatahin’ireo mponina any an-toerana hamafisina.
Pati
Legende : Ireo ry zalahy isany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT