Tanora FIZAFAFI

“Ilaina ny firaisankina anjakan’ny fifanakalozana!”


  • Zoma 15 Desambra 2023

Faritany midadasika indrindra eto Madagasikara i Fianarantsoa ary manana

faritra miisa 6 dia i Atsimo atsinanana, Fitovinany, Vatovavy, Matsiatra ambony, Amoron’Imania, Ihorombe, hoy ny Tanora FIZAFAFI na Tanoran’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, nandritry ny fampahafantarana ny fitsanganan’ity rantsan’ny FIZAFAFI ity tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina omaly. Miavaka amin’ny fananany kolontsaina maroloko ny faritany, hoy ny fanazavana. Manana foko maro indrindra ihany koa. Manana tanora matanjaka, mavitrika, tia mandray andraikitra, tia misehatra amin’ny resaka fampandrosoana koa i Fianarantsoa. Nisy ny fanatonana ireo raiamandreny avy any Fianarantsoa monina eto Antananarivo mba hisian’ny fifanakalozana ahafahana mametraka firaisankina ho fampandrosoana ilay faritany. Tapaka fa hatsangana ny Tanora FIZAFAFI eto Madagasikara ary mitsangana manaraka ny lalàna mifehy fikambanana eto Madagasikara izany ankehitriny. Tapaky ny birao fa filoha am-boninahitra ny filoha mpanorina ny FIZAFAFI dia ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa. Miisa 6 kosa ireo filoha mpiara-mitantana. Tsapanay tanora fa ilaina ny firaisankina anjakan’ny fifanakalozana! Hisy ny fihaonambe tsy ho ela iraisan’ny rehetra zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa ary tsy ho ela, hoy hatrany ny Tanora FIZAFAFI.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT