Hanatanteraka rindran-kira goavana esty amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny TGC ( Tana Gospel Choir) rahampitso Alahady fiandohan’ny volana Jolay, manomboka amin’ny 03 ora folakandro. Efa lera no anarana hampitondraina ny hetsika hanairana ny sain’ny rehetra ny amin’ny tokony hanomanana ny fiainana mandrakizay.
Ankoatra izay dia entina hanaovana asa sosialy hanampiana ireo ilan’ny trano Aina ao Ambatolampy ny vola azo avy amin’izany, ivon-toerana iray manampy sy manabe ireo ankizy sahirana sy kamboty any an-toerana. Anisan’ny manohana akaiky ity hetsika ity ny Airtel sy ny Ivenco ary ny Mass’In. Tanjon’ny telo tonta amin’izany ny hanampiana sy hanohanana ireo tanora manan-talenta sy vonona ny hanohana ireo niangaran’ny vintana toy ny TGC eto amintsika. Tsiahivina moa fa saika hiangalian’ny TGC avokoa ireo karazana gadon-kira rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.