kolontsaina

Tambohobe 2019 Hotohizana ny fanatanjahantena sy kolontsaina


  • Zoma 21 Jona 2019

17 taona aty aorian’ny nitsanganany, nahazo filoha vaovao ny fikambanana Tambohobe “TAnora MBOla HOBEazina”

  natsangan’ny vondron’olona vitsivitsy tao Andraisoro amin’ny herisetra mianjady amin’ny zazavavy sy tsy fandriampahalemana rehefa nanao Fivoriambe sy fifidianana teny Betongolo. Notanterahina teny amin’ny Le Pave Antaninarenina omaly alakamisy 20 jona 2019 ny  fifanolorana andraikitra sy faneva teo amin’ny mpikambana tamin’ny birao teo aloha notarihan-dRabenjamina Solondraibe Willy sy ny birao vaovao tarihan’Andrianarivelo Hasina  izay nanambara teo amin’ny fandraisam-pitenenana voalohany nataony fa hotohizana ireo hetsika ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra an’olona 7, ny Cross country  sy ny hazakazaka am-bisikileta ary rugby sy ny hetsika ara-javakanto toy ny hiragasy, vakodrazana, up the rap sy ny festi sôva niadiana tamin’ny herisetra nahazatra ny Tambohobe hatrizay. Hotovonana hetsika ara-tsosialy (fanamboarana fotodrafitrasa) sy asa an-tselika eny anivon’ny fiarahamonima izany amin’ny taona 2019 ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT