kolontsaina

Talenta vaon’ny mozika malagasy Ho fantatra anio izay tompondaka


  • Alarobia 21 Novambra 2018

9 taona izao no nisian’ny fifaninanan-kira « Graine de star » izay karakarain’ny toeram-pandihizana Le taxibe erak’i Madagasikara.

 

 Ho amin’ity andiany 2018 ity dia etsy Antanimena, ao amin’izany toeram-pandihizana izany, no hamaranana ny fifaninanana nasionaly ary efa herinandro izao no eto Antananarivo ireo tompondaka isam-paritra dia ny avy eto Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana sy Toamasina ary Nosy be.  Tanjona, hoy ny mpikarakara ny hanandratra ireo talenta vao izay tsy dia be mpahafantatra any amin’ny toerana misy azy ireo. Anio alina no ho fantatra izay tompondaka nasionaly amin’izay talenta vaon’izay mozika malagasy izay. 5 mirahavavy moa ireo hifaninana farany sy hisolotena ireo faritra voalaza teo. Lelavola mitentina 3 tapitrisa ariary sy loka isan-karazany kosa no omena izay mandresy ankoatra ny 2 tapitrisa efa azony tany amin’ny faritra nandreseny sy nisoloany tena.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT