kolontsaina

TALE VAOVAON’NY OMDA Aloa aloha ny zon’ny mpamorona 4 volana…


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Nandray ny toerany nanomboka omaly ny talen’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon'ny mpamorona na ny OMDA vaovao Joelinirina Rarivoson.

Tontosa omaly alarobia maraina ny famindram-pahefana teo aminy sy ny tale mpisolo toerana, Randrianirina Rogesselin. Nambaran’ny talen’ny OMDA vaovao araka izany fa hiroso amin'ny fampiroboroana ny asa eo anivon'ity fitaleavana ity ny tenany ary vonona ny hifandray sy hiresaka amin’ny rehetra. Ho an’ireo mpanankato manan-kevitra entina hanatsarana zavatra dia nambarany fa tsy mba manana olana amin’izy ireny ity talen’ny OMDA vaovao ity. Laharam-pahamehana ny fandoavana ny fisotroan-dronon’ireo zokinjokiny, zon’ny mpamorona efa vonona, ny karaman’ny mpiasa. Halefa tsikelikely isaky ny sokajiny, ka alefa aloha ny tao anatin’ny 4 volana farany, ary mbola hojerena ny tetiandro ho an’ny efa hatrany amin’ny 2022, raha ny ny nambaran’ny Tale vaovaon’ny OMDA. Tsy afaka nandray fanapahan-kevitra ara-bola ny mpitantana vonjimaika, fa ny fandraisana ny zon’ny mpamorona kosa ny nitohy, ary voalaza fa nitombo aza ny vola niditra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny famindram-pahefana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT