kolontsaina

Tale jeneralin’ny ofisin’ny sinema Noterena hametra-pialana


  • Alarobia 08 Mey 2019

Nafampana tetsy amin’ny ofisim-pirenena misahana ny sarimihetsika na OMACI tetsy Ambodifilao omaly maraina.

 

 Notongavana mpitandro ny filaminana mihitsy nanerena ny tale jeneralin’ny ofisin’ny sinema Malagasy, Bon Temps Ramitandrinarivo, hametra-pialana sy hamindra ny fahefam-pitantanana ny sinema amin’ny minisiteran’ny kolontsaina. Tsy afaka ny tsy hanara-dalàna aho, hoy ity tale jeneraly ity. Araka ny andininy faha-177 ao amin’ny lalàmpanorenana dia mila mandalo ny antsoina hoe “controle de constitutionalité”, izany hoe miandry ny fanapahan-kevitry ny HCC vao afaka manatanteraka izany, hoy ny fanazavany. Ny zava-misy dia lazaina fa rava ny OMACI, hoy izy, nefa izao asaina mamindra fahefana. Mbola andrasana ny fanapahan-kevitry ny HCC mikasika ny naoty nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 17 aprily teo handravana ny OMACI. Famindrana fitaovana na “passation de materiel”, hoy izy, no azoko atao. Rehefa naheno izay moa ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera tamin’iny omaly iny dia niroso tamin’ny antsoina hoe famindrana fanalahidy na “passation de clé” na koa hoe “passation par défaut” ary ny niafarany moa dia nogiazana hatramin’ny biraon’ity tale jeneraly ity. Araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny kolontsaina dia ny tsy fahatomombanan’ny fitantanana sy ny fitantanana ara-bola no isan’ny hamehana nandravana ity rafitra miahy ny sarimihetsika ity ka nampiharana ny andininy faha-4 sy 5 ao amin’ny didy hitsivolana laharana 72 – 041 nivoaka ny 19 aprily 1962. Misy rafitra afaka manara-maso izany kosa ao amin’ny minisitera, hoy ny tale jeneralin’ny OMACI fa fanosoram-potaka izany. Ny OMACI no nahavita nanampy ny mpilalao sarimihetsika ary nahavita nampiditra 12 miliara ariary hanampiana ireo matihanina amin’ny sinema ary nampiditra 6 miliara ihany koa hahafahany miasa .  Efa an-dalana ireo fanampiana ireo, raha ny fanazavany hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT