Tafiditra ao anatin’ny vanim-

potoanan’ny famadihan-drazana isika ankehitriny,.


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2024

fomba amam-panao iray izay tena mbola be mpanao tokoa

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny famadihan-drazana isika ankehitriny, fomba amam-panao iray izay tena mbola be mpanao tokoa. Fomba iray mbola voahajan’ny foko miisa 3 dia ny Merina, ny Betsileo ary ny Sihanaka ny fahaizana mandamina sy mandrindra ny vanim-potoana fanaovan-draharaha, raha araka ny fanazavan-dRandrianatoandro Robert, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina. Tafiditra ao anatin’izany ny fangatahim-pitahiana amin’ny Zanahary sy ny Razana na ny famadihan-drazana, ny fambolena, ny fanandratana ny tanora sy ny zaza teraka ary ny fangatahan-tso-drano amin’ny olobe zokiolona 70 no miakatra. Na dia ao anatin’izao vanim-potoana mahasarotra ny fitadiavam-bola izao aza dia nambarany fa tena tsy mihemotra ny olona amin’ny fandaniana amin’ny fanaovana lanonana toy ny famadihan-drazana. Porofon’izany hoy ny hamaroan’ny olona manao fangatahana amin’ny famadihan-drazana sy ny fanorenana fasana vaovao eny anivon’ny kaominina izay tena tsy mitandro hasasarana tokoa. Midoika izany hoy izy fa tena fomban-drazana Malagasy ny famadihan-drazana, fety ara-panahy koa no sady ambohim-pihaonan’ny fianakaviana iray ra rehetra miaraka amin’ny fianakavian’ny vinanto rehetra. Tsy mbola ravan’ny teknolojia maoderina sy ny fanatontoloana mihitsy noho izany hoy izy ity fomban-drazana mampiavaka ny Malagasy ity. Notsiahiviny moa fa tsy ho foanana na ho rava mihitsy ny famadihan-drazana raha tsy sanatria ka tsy ho tehirizina intsony ny taolam-balon’ny Malagasy rehefa maty fa hatsipy any an-dranomasina avokoa ka tsy ilaina intsony ny fasana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT