kolontsaina

Taa Tense Notolorana “Chevalier de l'ordre National Malagasy”


  • Talata 30 Martsa 2021

Nanainga omaly hariva teto Antananarivo io ny nofo mangatsiakan’ilay mpanakanto Rajaonarivony Tsizaraina Nathalie Hortense na i Taa Tense,

 

 

 

 ka nihazo avy hatrany an'i Fandriana, Amoron'i Mania. Nialoha ny niaingan’ny faty tetsy amin'ny Gymnase Couvert Akorondrano dia nasondrotra ho eo amin'ny laharam-boninahitra Chevalier de l'ordre National Malagasy i Taa Tense, ho fankasitrahana ny zava-bitany tamin’ny fanandratana ny kanto malagasy. Nanatanteraka izany araka ny didim-panjakana laharana 2021-351 tamin'ny 26 Marsa 2021, araka ny fahefana nomena azy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Niara-niombona, nifanotrona teny an-toerana ny mpiara-miasa eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Tale Jeneraly misahana ny tetik'asan'ny Filoham-pirenena, ireo mpanakanto maro fa indrindra ireo mpankafy an'i Taa Tense. Handrasana ao Ambohibary Fandriana ny faty anio Talata 30 Martsa. Rahampitso Alarobia kosa no hatao ny fandevenana azy ao Ampotaka Ankafobalo, Kaominina Tatamalaza misy ny fasan-drazany ho fanatanterahana hafatrany fahavelona.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT