kolontsaina

Symposium International d’Histoire, Civilisation et Culture Hotohanan’ny vondrona STAR


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Sambany no hotanterahina eto amintsika ilay hetsika “Symposium International d’Histoire, Civilisation et Culture » andiany voalohany.

Omaly  talata 28 novambra no nosokafana tamim-pomba ofisialy eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato izany,  haharitra telo andro.  Tantara, kolontsaina ary vakoka, no hibahan-toerana ahitana ireo mpanabe sy mpikaroka manodidina ny 40 any ho any izay hampahafantarina ny taranaka faramandimby ny momba azy sy ny fisiany.  Santionany amin’izany i Lucile Rabearimanana avy eny  amin’ny oniversiten’Antananarivo, Alexandre Adelaar avy amin’ny oniversite any Melbourne… "Asie du sud-est, Madagascar. l'Odyssée d'un peuple de la mer" no  lohahevitra horaisina mandritra ity  symposium ity  entina hanomezana tombony manokana ireo mpandala tantara sy mpanao fikarohana eto amintsika. Mpanohana ofisialy ny hetsika ny vondrona STAR. Mifanandrify indrindra amin’ny fanandratan’izy ireo ny kolontsaina Malagasy  mantsy izao hetsika izao sady hahafahany mifandray sy mifanakalo hevitra amin’ireo  mpandraharaha tonga hitsidika ny tranohevany ihany koa. Niezaka ny nanaraka ny vanim-potoana nisy teto amintsika ny vondrona Star tao anatin’ny 65 taona lasa izay. Maro ny anjara biriky noraisiny tamin’izany toy ny fanohanana ireo mpanakanto Malagasy, ny fanohanana ny sehatry ny sosialy toy ny fanabeazana izay andaniany vola 1  miliara Ar isan-taona... Hisy moa ny fampahafantaran’izy ireo ny tantaran’ny zava-pisotro vokariny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT