STAR TOUR AO MAHAJANGA

Hiverina indray, ho avy hanafana ny lanonana ny tarika AmbondronA


  • Alakamisy 07 Aogositra 2025

Ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga

dia hiverina ao an- drenivohitr’i Boeny indray ny Star Tour Majunga , rehefa nitsahatra nandritra ny enin-taona. Hifanome fotoana amin’ny mpitsidika ny Star, eny amin’ny Bord-n'i Mahajanga, ny 15, 16 ary 17 Aogositra ho avy izao. Ho feno dia feno ny fandaharam-potoana raha araka ny tafa nifanaovan'ireo mpikarakara tamin'ny mpanao gazety omaly. Ho fanafanana ny fotoana dia mpanentana sy mpanakanto isan-karazany no ho avy isan'andro ka hisantatra izany i Fou Hehy, Teg, Barhone, Dj Three T, Dj Looping ary Dj Eloi. I Ckycky sy Black Nadia kosa no hiaka-tsehatra hampifaly ny vahoaka ny Sabotsy 16 Aogositra izay hofaranan'ny tarika Ambondrona sy Ceasar ny datin'ny Alahady 17 Aogositra. Tsy ho diso anjara amin'izany ny ankizy.Hisy ny kermesy hampifaliana sy hanolorana loka isan-karazany. Toraka izany espace pression ho fanalana hetaheta. Tsy ho latsa-danja amin'ireo ny fitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny fiarovana amin’ny loza. Hifanome tanana mandritra izany ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpiambina sivily ary ny croix rouge. Omena lanja manokana ihany koa ny fahadiovana, isan’andro. Misy ny ekipa manokana hanadio ny toerana. Eo koa ny vata Kopakelatra, hanangonana ireo tavoahangy plastika avy nampiasaina.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT