kolontsaina

Star Academy 2022 Lasan’i Anisha ny 450 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Nisongadina tamina fifaninanan-kira goavana tany ivelany indray ny Malagasy. Ilay teratany Malagasy ANISHA no nivoaka ho mpandresy tamin'ilay fifaninanan-kira STAR ACADEMY 2022 nokarakarain'ny fahitalavitra Frantsay TF1.

Izy no nambabo ny fon'ny mpijery ka nahazo ny 57%-n'ny vato raha toa ka 43% ny an'i Enola nifaninana taminy nandritra ny famaranana ny sabotsy. Ny hiran'i Cohen Léonard mitondra ny lohateny hoe “Halleluiah, nohirainy tamin'ny fomba hafa sy tena niavaka, ary nisy ny fampiaraham-peo niarahany tamin'i Robbie Williams tamin'ilay hira mitondra ny lohateny hoe "Supreme". Ankoatra ny amboara manamarika ny fandreseny, lasan'i Anisha ny lelavola 100 000 euro izay 400 tapitrisa Ar mahery (450 829 000 Ar) eo raha havadika vola Malagasy. Eo ihany koa ny famokarana “album” ho an’ny sangan’asany izay hiantsorohan’ny Sony Music Entertainment France. Nisongadina hatrany am-boalohany I Anisha, ary nisy fotoana aza latsa-dranomaso hatramin’ny mpitsara ny fifaninana noho ny angolam-peony. Niray feo nanohana azy hatrany ny Malagasy na teto an-toerana na ireo mpila ravinahitra, ka nahazoany tombondahiny hatrany teo amin’ny safidin’ny besinimaro. “Misaotra betsaka”, hoy I Anisha naneho ny hafaliany sy ny fisaorany teo am-pandraisana ny amboara mariky ny fandreseny miezinezina. Misongandina hatrany ny teratany Malagasy na manana fihaviana Malagasy amin’ny fifaninanan-kira goavana iraisam-pirenena na kaontinantaly. Raha mampahatsiahy, ny taona 2012, nobatain’i D'Lain ny amboaran’ny Castel Live Opera. Ny taona 2014 nisongadina ary nivoaka ho mpandresy ihany koa I Denise tamin’ny Island Africa Talent. Ny taona 2021 nanakoako ny fandresen’i Marghe tamin’ny The voice, efa nisongadina taty Afrika ihany koa ry Shyn sy Denise… ary io indray ihany koa fa norombahin’i Anisha tamin’ny fomba miezinezina ny Star Academy 2022.

Niarahaba manokana an'i Anisha tamin'izao fandreseny izao ny Pasitera Mailhol mivady sy ny Fiangonana Apokalipsy noho ny maha zanak'ity fiangonana ity an'i Anisha ! Nambaran'ny Pasitera Mailhol fa noporofoin'ity tovovavy kely ity ny maha zanak'Andriamanitra azy tamin'ny fihirany farany ilay hira Halleloia nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ka nanomezan'Andriamanitra azy ihany koa izao fandresena miezinezina izao ! Nitso-drano azy ho tonga amin'ny ambony indrindra sy hitombo talenta sy fahendrena araka izany pastera Mailhol mivady.
Toky R sy Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT