SOULEMAN ANDRIAMANDIMBY

Mpiara-miasa akaiky amin'ny


  • Alatsinainy 19 Janoary 2026

Mpitondra fanjakana ny mpikabary

Tsy olon'olom-poana fa olona mendrika, fitaratra no sady maodely eny anivon'ny fiaraha-monina ary mpitantana ny Mpikabary hoy Souleman Andriamandimby izay tsy zoviana amintsika intsony. Mpiara-miasa akaiky amin'ny Mpitondra fanjakana ihany koa amin'ny fitaizana sy famolavolana ny olom-pirenena manoloana ireo karazana adidy maro samihafa. Tsy mangataka vola aman-karena izahay hoy izy amin'ny fanatanterahana izany no sady nanolo-tena noho ny fihavanana. Rariny loatra hoy izy raha mijery sy mankasitraka ny mpikabary ny Fitondram-panjakana noho ny andraikitry ny roa tonta mifameno izay hisaorana azy ireo manokana. Notsiahiviny moa fa tsy olona mahay ohabolana na hainteny fotsiny ny mpikabary fa olona mpandala ny soa toavîna. Mandray andraikitra hatrany koa eny anivon'ny fiaraha-monina na fifaliana na fahoriana eny hatramin'ny fandaminana ny adin'ny mpivady. Nahazo ny mari-boninahitra avy amin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny kolontsaina ihany koa Andriamandimby Souleman noho ny adidy marobe vitany teny anivon'ny fiaraha-monina.
Pati
Légende : Izy no Souleman mpikabary.sady mpampianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT