kolontsaina

Somaroho andiany faha 10 Tafiditra anaty ambiansy hatramin’ny filoha


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Mafana dia mafana hatramin’ny 2 aogositra teo ka hatramin’izao ao Nosy be ao noho ny fisian’ny hetsika goavana Somaroho andiany faha 10.

Nidina tany an-toerana mihitsy moa ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo ary nilaza fa tafiditra ao anatin’ny velirano faha 4 ny fampiroboroana ny fizahantany amin’ny alalan’ny hetsika tahaka itony. Efa revy hafa mihitsy ny ao Nosy be ao izany, hoy ireo mpanara-baovao nahita ny ambiansy sy ny fianjaikan’ireo tovovavy nilahatra nanao filaharambe na “carnaval” izay tsy mihafahafa mampiseho an-kalamanjana ny nonony mihitsy ny sasany. Hita ho tafiditra anaty ambiansy hatramin’ny filoham-pirenena ihany koa. Izy rahateo moa mirehareha ho akaiky vahoaka ary dia hita ho tena akaikin’ny mpanakanto indray izany izy teto, raha ny sary niparitaka ny faran’ny herinandro teo. Tena nanatona akaiky azy no sady nampiasa ny fanondrony teto ny mpanakanto Basta Lion izay nijoro teo anoloany, izy moa nipetraka teo akaikin’ny depiote Jocelyne Maxime Rahelihanta, izay voafidy tao Antsiranana voalohany. Samy maminavina ireo nahita ny sary hoe mba inona koa ary izany resak’izy mianaka teto izany? Tena mbola mahatsapa ny tenany ho filoham-pirenena ve ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny samy manina ny fanafanana lanonana fahiny fony izy DJ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT