Solo Andrianasolo sy Tempo gaigy

Hanafana ireo mpifankatia eny amin’ny Madagascar Espace


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpifankatia ao anatin’izao fankalazana

ny fetin’ny mpifankatia izao dia manolotra hetsika miavaka ny “ Madagascar Espace” etsy amin’ ny By Pass, hoy omaly ny fampitam-baovao. Ny alin’ny rahampitso 16 febroary manomboka amin’ ny 7 ora hariva, hoy ny fanazavana, dia hisy ny atao hoe «Alin’ny mpifankatia» izay hafanain’ny mpanankato, Solo Andrianasolo. Hisy koa ny fanafanana lanonana na “Animation DJ” ho fiarahana mitotorebika ary miaraka amin’ny mpanankanto tsy ampoizina efa za-draharaha sy matihanina ao anatin’ny Tantara an-kira na “Comedies musicales”. Hisongadina ao anatin’ny fiarahana ny fanomezan-danja ny fitiavana araka ny hiran’i Solo hoe “Mahery ny fitia”. Sady ho raitra ny haingon-tsehatra no ho matihanina tanteraka ny fampisehoana, hoy ny fampanantenan’ny mpikarakara. Mafilotra koa ny sakafo ary maro isafidianana. Ho an’ireo tsy afaka ny zoma dia misy tolotra miavaka koa ny sabotsy 17 Febroary, manomboka amin’ny 7 ora hariva ihany. Hanome aina ny fiarahana indray amin’io ny tarika Tempo Gaigy. Manotrona azy ireo ny mpanentana lanonana matihanina hivetso izay hira ankafizin’ireo mpifankatia ho avy eny an-toerana ao anatin’ny “comedies musicales” sy ny fanentanan’ny DJ, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT