kolontsaina

Sokola malagasy Ny vahiny indray no mankafy mialoha


  • Talata 13 Martsa 2018

Hotontosaina ny sabotsy izao tontolo andro etsy amin’ny Carlton Anosy ny varotra fampirantiana momba ny sokola sy ny hatendan-kanina na ilay antsoina hoe « Salon du chocolat et de la gourmandise » andiany faharoa.

 Ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana mpanao asa sosialy Wednesday morning group na WMG moa no mikarakara ity hetsika ity mba hanohizana ny fanampiana ireo olona sahirana miisa 500 eny Akorondrano Andranomahery hatrany toy ny tamin’ny taon-dasa, raha ny fanazavana. Antony nisafidianana ny toerana dia satria manahirana ny saina ny mieritreritra hoe misy toerana mahafinaritra be eny Akorondrano nefa feno mahantra ao ambadika. Ankoatra ny fitadiavam-bolan’ny fikambanana anefa dia entina hanasongadinana ireo mpandraharaha ara-tsokola eto amintsika ihany koa izy ity satria raha ny lazan’ny sokola malagasy any andafy dia toa ny vahiny indray no mankafy azy, raha ny fanazavana hatrany. Miisa 25 ireo mpandraharaha nanohana ny antso tamin’ity raha 17 tamin’ny taon-dasa. Mitentina 50 tapitrisa ariary kosa no tetibola tratrarina ary maherin’ny 1200 isa ireo mpitsidika andrasana. Manomboka amin’ny 3 sm ka hatramin’ny 1 m ny halavan’ireo sokola ho hita ary aorian’ny fanampiana sahirana eny Ankorondrano moa dia hitady toeran-kafa mitovitovy tranga amin’io indray ny WMG havotany, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT