Nirarakompana ny faran’ny herinandro teo ny tsikera nahazo ilay mpihira Wawa, indrindra,
teny anivon’ireo tambazotran-tserasera samihafa satria dia resaka sofina naratra no nanafoanana fampisehoana ny an’ity mpiangaly salegy ity. Voatsikera mafy i Wawa vokatr’izany ary tena nasiaka ny voambolana nampiasain’ireo mpankafy zavakanto malagasy sasany toy ny hoe hafa mihitsy ny atao hoe mpanakanto sy mpanao bizina amin’ny mozika. Ry Itompokolahy Rampal tao amin’ny tarika Rebika aza, hoy ny sasany, narary mafy tokony nijanona tany amin’ny hopitaly fa tsy nandry ny sainy raha tsy niaka-tsehatra ihany ho fanajàny ireo mpankafy. Itompokolahy Om’Gui izao hamonjy fampisehoana amina faritra iray no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny an-dalana saingy notontosain’ireo namany ihany ny fampisehoana satria matihanina na «professionnels» ny tarika Ny Ainga, hoy ny hafa. Ny mpanakanto Smaven koa izao nisy fotoana naratra fa mbola nanolotra hira ho an’ny mpankafy azy teny an-tsehatra ihany, hoy hatrany ny santionany tamin’ireo fanehoan-kevitra izay nitsikera mafy ny fihetsik’i Wawa ka nandray izany ho fanaovana tsinontsinona ireo mpankafy azy. Raha ny filazan’i Wawa moa dia nisy tavoahangina labiera vaky tampoka ka nipitika teny amin'ny sofiny ary naratra izy nandritry ny fampisehoana nataony tao Belobaka Bongolava ny alakamisy teo. Niala tsiny tamin’ireo mpankafy sy mpikarakara lanonana izy, noho izany, satria tsy afaka nanao seho tao Mahavelona Soavinandriana Itasy ny zoma. Tetsy ankilany dia nahatsiaro ho maty antoka tanteraka ilay sekoly nikarakara ny fampisehoana satria efa voahomana tao avokoa ny sakafo, ny tsakitsaky, ny sehatra, hatramin’ny zava-pisotro samihafa saika ho amidy tamin’io fotoana io, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.