Hotanterahina ny alin’ny 22 jona ho avy izao etsy amin’ny Trano Bongo hotel Tanjombato indray ilay hetsika “Smooth Night” hohafanain’ny orkestra Ivenco.
Hetsika efa fanao isan-taona izy io entina hamondronana ireo vehivavy manam-peo sy talenta eto amintsika toa an’i Manoa, Grace Loren, Elsie izay hampiara-peo mihitsy, hotronin’i Ken avy ao amin’ny tarika Mage 4, ry Mirado, ny avy ao amin’ny voix d'or, Jao ary Fy Rasolofoniaina. Tanjona amin’ny hetsika ny hampiala voly ny rehetra, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fetin’ny fahaleovantena 26 jona izao. Hampiavaka ny lanonana ny findraman’izy ireo hiran’olon-kafa toy ny hiran’i Natalie Cole, Sade, Boyz II mena, Brian McKnight …Anisan’ny manohana akaiky ity hetsika ity ny Airtel. Tanjon’izy ireo ny hanohana sy hampivoatra hatrany ireo tanora Malagasy manan-talenta. Tsiahivina fa ity orinasam-pifandraisana ity ihany koa no nanohana akaiky ireo tanora nandray anjara tamin’ilay fifaninanana decouverte musicale “ Airtel Music Star”.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.