Rakotra mpitandro filaminana niatrana am-bava basy tetsy anoloan’ny kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo ny sabotsy teo, ary tahaka izany ihany koa ny teny amin’ny manodidina ny Rovan’i Manjakamiadana.
Nisy mantsy ny resaka niely tany amin’ny tambajotran-tserasera facebook, fa hanao hetsika miainga eny Ambohijatovo hatreny amin’ny Rova ireo mihevitra fa misy ny fanosihosena ny vakoka sy ny hasin’ny Rova, toy ny fananganana kianja Masoandro. Nivoitra fa hisakana ny asa mihitsy ireo mpanao diabe. Tamin’ny ankampobeny anefa tsy nisy ny andian’olona tonga nanao io hetsika io, izay mety ho fitsapana izay ho fihetsiky ny mpitondra na koa tahotra ny hisian’ny fisamborana na sakoroka. Tsy nataon’ny fitondram-panjakana ambanin-javatra anefa izany, fa tena niantrana sy toa efa nivonona amin’ny fandravana ny hetsika. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika, ary isan’ny fomba anankiray ahahana mifehy ny hetsika politika ny tsy fahafahana mamory olona mihoatra ny 50 isa. Na izany aza, dia tsapa ho manomboka mafampana ny toe-draharaha politika, ary vao tamin’iny herinandro lasa iny ihany koa no nisy ny fitakiana niantso ny fametraham-pialan’ny Filoha sy ny ekipany. Tafiditra ao anatin’ny demokrasia ny fanehoan-kevitra, saingy hita sy tsapa ihany koa fa tsy mitsitsy ny fanjakana eo anatrehan’ny mety ho hetsika politika, fa mandrava sy mandrara, ary mety hiafara amin’ny fisamborana sy fanagadrana satria fanehoan-kevitra manakiana mpitondra any amin’ny facebook aza izao efa mampidoboka am-ponja.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.