kolontsaina

Silo sy DJ Rod Eagle Hamarana ny taona etsy Analakely


  • Talata 27 Desambra 2022

Hamarana ny taona etsy amin’ny Hotely Pietra Tana Analakely I Silo sy DJ Rod Eagle ny alin’ny 31 desambra izao ary eny an-toerana ihany koa, araka izany,

no handraisan’izy ireo ny taona vaovao miaraka amin’ireo mpankafy te hifampizara faraparany aminy ny mozikan’izy mirahalahy ireto amin’ity taona ity. Alina “White and blue”, izany hoe “Fotsy sy manga” no lohahevitra nofidian’ny mpikarakara ny hetsika sy izy mirahalahy amin’io alina io, hoy ny fampitam-baovao. I Silo dia hamerina hampanembona ireo hira nankafizan’azy hatramin’izay toa an-dry “Rimorimo”, “Aoka izay”, “Anjeliko” sy ny tohiny rehetra hatraty amin’ny taona 2022 aty mihitsy amin’io ary “Review” na hoe “Tamberina” mihitsy rahateo moa no nampitondraina ny lohatenin’ny fizarana voalohany izay hiantsorohany. Ny DJ Rod Eagle kosa no hiantoka ny ambiansy hitsenana ny taona vaovao amin’ny tapany faharoa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende : Silo sy ny gitarany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT