Siansa sy zavakanto

Nodimandry i Xhi


  • Zoma 10 Mey 2024

Injeniera amin’ny fizika nokleary, artista mpisava làlana, teôrisian'ny tontolo tsy mampino.

Ireo amin’ny ankampobeny no namaritan’Ny Tsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy na Xhi ny fisiany tety amin’ny tontolo hita maso tety dia ny tany fony fahavelony. Nodimandry ny 8 may teo ity heverina fa isan’ny oloben’ny siansa sy zavakanto malagasy izay nanana ny fomba sy fitafy ary fandinika nampiavaka azy ity. Niara-dalana hatrany tao anatin’izany fandinihana izany moa izy sy ny vadiny Rajaofetra Razafimaharavo Olga na M’aa. Nahafantarana indrindra an’izy mivady ireto ilay hira mitondra ny lohateny hoe «Besorongolo». Nahafantarana azy ireo ihany koa ny fifampifiandimbiasan’izy mivady ny filahatry ny anarany isaky ny misy vanim-potoana miavaka teo amin’ny fiainany toy ny hoe Xhi sy M’aa, ohatra, rehefa nahazo zanaka. Nivadika M’aa sy Xhi indray rehefa nahazo zafikely. Nisy fotoana nialohavana hoe «Dio dio Rasalama» ilay hoe Ny Tsimitoviaminandriandehibe ary ny fametrahana singa toy izany dia nidika ho zava-dehibe mifandraika amin’ny fiainam-pirenena sy izao tontolo izao ary ny tontolo tsy hita maso ihany koa, raha ny teorian’izy mivady hatrany. Lasa izany iny i Xhi. M’aa irery sisa no hanohy ny dia. Asa indray izay ho fiheverany ny fihodin’ny fiainantsika ety fa dia mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra sy ny fianakaviany manontolo aloha isika eto amin’ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT