kolontsaina

SHYN Mpanakanto vahiny maro no hiasa miaraka aminy


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Ny 14 nov no tafaverina soamantsara avy any Lagos i Shyn sy ny delegasiona nisolotena an’i Madagasikara niaraka taminy nandritra ny fifaninana Africa Music Award AFRIMA 2017.

 

 I Shyn no nibata ny amboaran’ny “Revelation de l’année” tamin’ity fifaninana ity. Noho izao fandresena izao dia hanomboka hisokatra amin’ny Malagasy sady hitodika amin’ny Madagasikara ny mason’ny avy any ivelany. Hiara-hiasa amin’ny mpanakanto vahiny i Shyn ka anisan’izy ireny 2 Face anisany reharehan'ny Afrika tamin’ny alalany hirany [African Queen] sy Eddy Kenzo ary Singuila. Tsy ny sehatry ny zavakanto ihany izany no tena asandratr’i Shyn avo fa Madagasikara amin’ny lafiny rehetra toy ny resaka fizahantany ohatra. Niara niasa tamin’ny ministeran’ny fizahantany rahateo izy ireo tamin’ity dia ity; tetikasa  manaraka ny hanokatra indray ny Chaine Youtube an’i Shyn. 4 andro mialoha ny fifaninana mantsy dia nisy nisompatra ny Chaine Youtube an’i Shyn kanefa ilay hira resim-pitia nahatonga azy ho voaray handray anjara amin’ity fifaninanana ity dia efa nahatratra 2 tapitrisa no nijery azy  tao anatin’ny 10 volana.Mitohy hatrany ny fandalinana ny mozika, hoy i Shyn ary tsy adino ihany koa ny fanampiana sy fifanomezan-tanana amin’ireo artista Malagasy amin’ny alalan’ny tranom-pamokrana Makua Entertainment izay natsangany.

RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT