kolontsaina

Shyn- Makua Tour 2022 "Mahavita zavatra tsara ny Malagasy"


  • Talata 23 Aogositra 2022

Mampanantena seho kanto, tsara kalitao, miavaka ary mendrika ny mpankafy i Shyn ny 30 oktobra 2022 izao eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ho fanombohana ny Makua tour 2022.

Sehatra goavana mirefy 10x20 metatra ahitana mpihira, mpitendry, mpandihy miisa 70 miaraka amin’ny jiro sy ravaka maroloko na “Effets Spéciaux” izany, hoy hatrany ny fanazavana teny an-toerana omaly. Ankoatran’I Shyn dia handray anjara amin’ity hetsika ity koa i Denise, Boy Black, Lion Hill, Ljo, Joyce, Shadow, Dalvis. Hiaraka ny zavamaneno tendrena sy ny Dj. Hiezaka ampiseho zavatra tsara kalitao izahay, hoy I Shyn. Amin'io fotoana io no ampahafantarana voalohany ny rakikira "Tsara Joro" an'i Denise, izay tsy vita taloha noho ny Covid 19. Fampisehoana voalohany eto Antananarivo sy tokana eto Madagasikara ny amin'ny 30 oktobra satria aorian'io dia hiondrana any andafy ny Makua. Amin'ny 2023 ny fitetezana ireo faritra hafa eto Madagasikara. Nofinofiko sy nofinofinay mivady sy ny ekipanay tamin'ny 2003 ny hoe hanao fampisehoana goavana ao amin'ny lapan’ny fanatanjahantena, hoy I Shyn. Ho tanteraka izany, 20 taona aty aoriana. Tena mafy fa tsy mora ny ezaka sy asa natao vao tonga amin'izao. Safidinay mihitsy ny hoe atomboka eto Madagasikara ny hetsika ary eto no ampisehoana voalohany fa mahay, mana-talenta ary mahavita zavatra ny malagasy amin'ny fitaovana eo am-pelatanany fa tsy hoe rehefa mamantam-bonona fotsiny any an-dafy vao hoe mamiratra. Mahavita zavatra isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT