Séverin Jaofara

“Marary tena marary i Ninie Donia”


  • Talata 19 Septambra 2023

Nitsingerina omaly 18 septambra 2023 ny taona nahaterahan’ny mpikatroka eo anivon’ny Antoko politika Madio na APM ao Nosy be, Séverin Jaofara.

Tanora zanak’i Nosy be sady heverina ho manana ny maha izy no sady mpanetsiketsika tanora any an-toerana ny lehilahy, raha ny fanazavana sy fampitam-baovao voaray. Miantso ny fitondram-panjakana sy olobe an-tanàna ao Nosy be izy mba hijery akaiky ny mpanakanto Ninie Donia‚ izay mbola any am-ponja sady marary mafy ankehitriny, amin’izao tsingerin-taona nahaterahany izao. Reny‚ olobenay tsy hitako loatra fandikan-dalàna nataony kanefa dia faizina mafy ary ampahoriana tahaka izao, hoy ity mpanao politika tanora ity. Marary tena marary ary tsy rariny raha ny fahitako azy fa mba itodio ny raharaha Ninie Donia tompoko‚ hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT