kolontsaina

Sekterera Jeneralin’ny artista “Aza mifanakavaka, omeo ny hajany ny fatin’ny artista rehetra”


  • Talata 29 Novambra 2022

Naneho ny alahelony sy ny hasosorany koa ny faritra hafa ny Sekretera Jeneralin’ny Sendikan’ny Artista Morichidy Abdallah omaly, izay nanakiana mafy ny fihetsiky ny avy amin’ny Minisiteran’ny Kolontsaina.

Anisan’izany ny tsy firaharahiana teo anatrehan’ny fahalasan’ny mpanakanto Janga Ratah. “Vitavita ratsy ny fikarakarana ny vatana mangatsiakan’Itompokolahy Janga Ratah, izay lasa niazo an’I Vohémar. Misy zavatra mampahalahelo ahy, ary matetitetika mipoitra. Izahay avy aty avaratra aty, ary mety misy namana ihany koa avy any amin’ny faritra hafa. Nandefa fangatahana tany amin’ny Kolontsaina ny namana izay nikarakara ny razana tany Antananarivo fa tsy nivaly io. Nangatahana hotazonina tao Antananarivo, hapetraka amin’ny toerana izay maha mendrika azy tahaka ny hoe: Lapan’ny Kolontsaina. Rehefa niala tao, tsy nisy avy amin’ny Kolontsaina na iray mba nandeha nankahery na nanotrona ny fatiny”, hoy izy. Nomarihiny anefa fa efa fampifilafilana be ny trano nametrahana azy teto, saingy tsy manome tsiny ny tompon-trano izy. “Tsy mitomany lapan’ny kolontsaina izahay, fa isika mba mifanajà sy mifanomeza hasina. Tsy tokony hitranga matetika ny tahaka izao, maty I zokibe Dedesse izay 30 taona teo amin’ny sehatry ny mozika, mba misy tranon’ny kolontsaina eto fa maninona izy no tsy mba nampidirina tao? Ho an’ny artista no nananganan’ny Filoha an’io kanefa nahoana no mila mandoa 2 tapitrisa na 3 tapitrisa Ar vao afaka miditra ao ny olona? Tsy mendrika anay artista angaha io trano io? Namana Pierrot maty tao amin’ny Fast food teny Ankatso no nandrasana. Mba mendrika anay ihany koa io”, hoy hatrany i Morichidy Abdallah. Androany ihany aho, hoy izy, no mivolana an’izao, ka aza averina intsony. Nisaotra ny depioten’Antsiranana, ny depioten’I Vohemar, ny mpanankanto Jaojaoby sy maro hafa izy, ary nametra-panontaniana hoe: iza avy amin’ny Minisiteran’ny kolontsaina. “Omeo anay mbola velona izay mba haja tokony ho anay fa tsy rehefa maty vao homena mari-boninahitra. Maro izay ny artista avy aty avaratra manana ny lazainay, ka hapetraho ho amin’ny toerana tokony hisy anay, tokony ho an’ny mpanakanto rehetra ny Lapan’ny kolontsaina”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny artista Morichidy Abdallah.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT