kolontsaina

Seho goavan’AmbondronA Nojerena akaiky ny lafiny fandaminanana


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Herinandro mahery kely mialohan’ny seho maimaimpoana goavana ho tanterahana eny amin’ny Avenue Analakely

dia nanao atrikasa niaraka tamin’ny pitandro filaminana sy ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo renivohitra ny tarika AmbondronA omaly . Toy ny seho rehetra moa dia tsy maintsy misy ny fandaminana faobe ary arakaraky ny toerana hatrany ny fepetra raisina, hoy ry AmbondronA. Ny fiarovana resahina eto dia mahakasina ny olona, ny fitaovana, ny toerana sy ny fananam-bahoaka, ny fampiasana làlana, fahadiovana, vonjy taitra samihafa...Taorian’ny fijerena ifotony ny zava-misy sy ny toerana izany dia izao nodinihana izao indray ny fomba fiasa sy paikady hametrahana ny fandaminana sy ny fiarovana.ekena fa maimaimpoana ny seho saingy tsy maintsy misy ny feetra arahan’ny rehetra izay ho tonga eny.Ny alahady 16 aprily tolakandro izao moa ity seho ity , natao indrindra isaorana ny rehetra tao anatin’izay 22 taona nijoroan’ny tarika izay.Fa eo ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny tarika AmbondronA amin’ny fanampiana ny zaza Malagasy ka hanomezana fitaovam-pianarana ; alefa manontolo any amin’izany ny vola azo avy amin’ny famarotana ireo T shirt sy kaskety Ambondrona izay hita ao amin’ny www.ketrika.com sy eny amin’ny Pho Resto moa.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT