kolontsaina

Seho anaty trano Mbola tsy mahasarik’olona firy ny Sarimihetsika Malagasy


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Nampahafantarina sy nojerena tamin’ny sabotsy lasa teo tetsy amin’ny OpenFlex Ambodivona ny sarimihetsika fahatelo mahakasika ilay ny tetikasa Ciné Malagasy découverte. Isaky ny sabotsy faran’ny volana no fampisehoana izany izay ahafahana mijery ireo talenta vaovao amin’ny sarimihetsika Malagasy.

 

 

Tahaka ny mahazatra dia fihaonana amin’ireo mpanatontosa sy mpanatalenta ny fotoana ary misy ny fifanakalozana traikefa amin’ireo matihanina. Ankoatr’izay dia misy ihany koa ny fifampiresahana amin’ny rehetra mba hampandrosoana ny sarimihetsika Malagasy. Mbola vitsy hatrany mantsy ireo liana ka ezaka tsy maintsy ataon’ny rehetra ny hampahafantarana ny sinema Malagasy izay mbola tsy tafarina hatreto. Na dia maro aza ireo manatalenta eto amin’ny firenena dia ilaina  ilaina ny fahaiza-mandresy lahatra avy amin’ireo mpanatontosa sy mpilalao sarimihetsika. Nanambara mihitsy ny tompon’andraikitra ny tetikasa eo anivon’ny Cabinet Profiler sy ny openflex fa ny rehetra no tokony hiezaka amin’ny fampandrosoana ny sarimihetsika fa tsy ny mpilalao sy ny mpanatontosa ihany. Ilaina ny fifampizarana amin’ireo mpijery sy ny fitsikerana hanatsarana io sehatra io. Tsiahivina fa maimaim-poana avokoa ny fijerevana sy ny fandefasana ny sarimihetsika eny amin’ny OpenFlex mba ho tosika sy ho fitsinjovana ny mpisehatra amin’ny sarimihetsika Malagasy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT