kolontsaina

Scoop digital sy Fan’dio Hanohana sekoly sy fiangonana ary fikambanana


  • Zoma 26 Mey 2017

Hiroso amin’ny asa sosialy ao anatin’ilay lohahevitra “Soa ifampizarana” ny tranompamokarana Scoop digital sy ny FAN’dio izay hivondronan’ireo mpilalao sy mpankafy sary mihetsika manomboka izao. Amin’ny alalan’ny fanampiana ireo sekoly,

fikambanana mitaiza ankizy sahirana, ary fiangonana no hanatontosany izany. Afaka maka ilay  horonan-tsary mihetsika Gisa mainty any amin’ny Scoop digital izy ireo ary mandefa izany mba hanatsarany ny fidiram-bolany. Toraka izany koa ireo manana tetikasa tsara ary hita fa mampihatra ny fitantanana mazava. Ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara dia afaka miara-miasa aminay avokoa hoy i Vero (mpilalao), izay  mpitondra tenin’ny FAN’dio . Mitoetra  ho an’ireo fikambanana, sekoly ary fiangonana ihany nefa ny tolotra fa tsy natao ho an’ny mpikarakara hetsika kosa. Hatrany amin’ny 500 mahery ireo fangatahana fiaraha-miasa efa voarain’ny FAN’dio hatreto. Marihina moa fa ity horonan-tsary mihetsika 2018 Gisa Mainty ity dia kasaina ho alefa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena araky ny hetahetan’ireo mpanatontosa vahiny  izay efa nijery azy.  Hanomboka ny 31 Jolay ho avy izao ity tolotra ity.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT