kolontsaina

Savorovoron’ny mpitantana ao Mahajanga Atsaharo fa mahamenatra, hoy FIZAMAMI


  • Talata 05 Aprily 2022

Nivoaka tamin’ny fahanginany ka nanao fanambarana hentitra ny FIZAMAMI (FIkambanan’ny ZAnaka MAhajanga MIray)

 tarihin’ny Filohany Atoa Samy Harison Olivier manoloana ny savorovoro misy eo anivon’ny fitantanana ny tanànan’i Mahajanga tao anatin’ny fotoana lavalava, ny disadisa eo amin’ny Filankevitra Monisipaly sy ny mpanatanteraka tarihin’ny Filohan’ny Delegasionina manokana na ny PDS. Toy ny tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra, hoy ny FIZAMAMI, izay nanambara fa mivoy hatrany ny fitambarana sy ny fitraisankinan’ny daholobe ka tsy afaka ny hitazam-potsiny. “Tsapa fa miha mihenjana ny tady ary mihalalina ny fery, koa miantso ny andaniny sy ny ankilany mba ho tony sy tsy hijery afatsy ny tombotsoan’ny vahoakan’i Mahajanga sy ny vahoaka ao aminy. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana mahefa izahay mmba hijery akaiky izao toe-draharaha izao, mba tsy hampihitatra izany sy tsy hampahatara ny asa fampandrosoana ao anatin’ny tanànan’i Mahanjaga. Miangavy ny vahoakan’i Mahajanga mba tsy hanaiky hosaraham-bazana fa hitandro hatrany ny firaisankiana sy ny maharay antsika jiaby”, hoy hatrany ny fanambarana novakian’Atoa Samy Harison Olivier.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT