kolontsaina

Sary hosodoko Manomboka mahaliana ny tanora Malagasy


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Manomboka mahaliana ireo tanora eto amintsika ny sary hosodoko. Marobe tokoa mantsy ireo tonga mitsidika ilay hetsika Fangaro II tanterahina etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely

 

 

hifandrimbonan’ireo mpanakanto mpanao sary hosodoko 13 mianadahy eto amintsika. Nanomboka ny herinandro teo ny hetsika. Ny 15 janoary ho avy izao izany vao hifarana, ahitana karazana tabilao marobe vaovao sady manome lanja ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao Malagasy. Raha araka ny fanazavan’ny mpikarakara dia natao indrindra hanaovam-beloma ny taona 2018 ny hetsika. Eo ihany koa ny fiarahabana ny taona vaovao 2019, indrindra ho an’ireo mitady fanomezana ho an’ny olona akaiky azy. Ankoatra ny olon-dehibe moa dia voasarika mijery ity fampirantiana sary hosodoko etsy amin’ny tahala rarihasina Analakely ity ihany koa ireo ankizy madinika eny anivon’ireo sekoly maro samihafa. Tsiahivina fa ana hetsiny ny vidin’ny tabilao sary hosodoko iray eto amintsika ka misy ireo vita amin’ny peinture à l’huile.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT