kolontsaina

Sary hosodoko Mampahafantatra ny asa tanany etsy Andavamamba Raparivo


  • Zoma 12 Jolay 2019

Mahatratra 2.400.000 Ar ny lafo indrindra amin’ireo sary hosodoko asa tanan-dRapanarivo haranty sy hamidy etsy amin’ny AFT Andavamamba nanomboka omaly.

 

 

 

1 tapitrisa Ar kosa no mora indrindra izay nomarihiny fa tsy voatery ireo mpanam-bola ihany no afaka manjifa izany. Efa azon’ny isan-tokantrano hatao mantsy, hoy izy  ny mikaomandy sary tsotra amin’ireo karazana sary hosodoko hitany eny an-toerana mba hatao haingon-trano ka 15.000 Ar no manamboatra izany, miaraka amin’ny fametrahana sary tsara tarehy. Tafiditra ao anatin’ilay hetsika fampahafantarana ny asa tanan-dRaparivo manokana izany taorian’ny nahafatesan-drainy tamin’ny 07 novambra  taona 2018. Mampiavaka ny asa tanany  manokana ny fiangaliany ireo fiainana andavanandro ianan’ny isam-baravarana izay havoaka amin’ny alalan’ny kisary raha sary tanàna kosa no tena nahafantarana an-drainy. Ny 27 jolay ho avy izao moa vao hifarana ity varotra fampirantiana sary hosodoko tanterahin-dRaparivo etsy amin’ny AFT Andavamamba ity.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT