kolontsaina

Sarimihetsika “Tabataba” Ho avy etsy amin’ny IFM i Raymond Rajaonarivelo


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Hisy ny fandefasana anaty trano fijerena sarimihetsika indray ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Tabataba”, izay notontosain’i Raymond Rajaonarivelo, ny taona 1988 ny 12 novambra izao etsy amin’ny IFM Analakely.

Fotoana manokana na “séance spéciale” izy io, raha ny fanazavana, satria ho avy hiverina hijery izany sangan’asany izany eny an-toerana koa ity mpanatontosa sarimihetsika ity. Tsiahivina fa sarimihetsika maneho ny fangirifiriana niainan’izany atao malagasy nitolona tao anatin’ny hetsika fitakiana fahaleovantena tamin’ny taona 1947 izany ity sarimihetsika ity ary zary nitarin’ireo efa nahita azy ity hoe “Tabataba 1947” mihitsy aza moa ny lohatenin’ilay sarimihetsika taorian’io taona 1988. Ho an’ny rehetra, indrindra, ireo taranaka taty aoriana izay liana sy mbola tsy nahita ity sarimihetsika malagasy nanana ny lazany iraisampirenena ity, araka izany, dia etsy Analakely no fotoana amin’io 12 novambra io, hoy hatrany ny fanasana.
J. Mirija
Legende: Izy no Raymond Rajaonarivelo aminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT