Aina Kathia no mitazona ny anjara toeran-dRamanantenasoa ao anatin'ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Nampoina”,
izay nosoratan’ny Profesora Raymond Ranjeva sy tontosain’I Henry Randrianierenana. Andriambavin'Alasora ary renin-dRamavolahy, lahimatoan'ny mpanjaka moa I Ramanantenasoa, hoy ny fanazavan’ity mpilalao mandray ny anjara toerany ity. Izy, hoy izy, no vadibe voalohan'ny Ombalahibemaso. Ny 85%n’ity sarimihetsika notovozina avy amin’ny tantaran’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ity no efa voaodina ary efa mamarana izany izahay ankehitriny. Voninahitra lehibe ho ahy ny milalao sy mitazona ny anjara toerana nomena ahy satria efa tena nofinofiko hatrizay ny hilalao sarimihetsika mahakasika ny tantaram-pirenena ary indrindra hampiraisana antsika Malagasy. 25 taona aho ary tsy mbola nilalao tamina sarimihetsika hafa fa fisantarana izany ity horonantsary ity. Vinavinaina ho vita alohan'ny desambra ny fanodinana ary kasaina hivoaka ny taona 2023. Miisa 8 izahay no mpilalao fototra ary misy Andriambe maromaro izay mpilalao fototra ihany koa. Ankoatra an'izay dia maro ireo vahoaka sy mpilalao mpanampy hafa. Ny tanjona dia ny ho lasa mpilalao sarimihetsika matihanina sy ho re maneran-tany mihitsy. Avo sy lavitra hatrany ny vina sy ny faniriana raha ho ahy. Hita ho efa mivoatra ny sarimihetsika eto amintsika na ny lafiny materialy na ny mpilalao ary inoako fa mety hitondra avo ny voninahi-pirenena isika indray andro any. Mila mikatsaka ny mety indrindra hatrany. Ny hafatra dia hoe ataovy am-pitiavana ny zavatra rehetra atao fa azo tanterahina avokoa hampamirapiratra na ny heverina ho sarotra indrindra aza. Ny fahatokisan-tena no lakilen'ny fahombiazana, hoy hatrany I Aina Kathia.
J. Mirija
Legende: Valoniaina Ranaivoson, mandray ny toeran’ny mpanjaka Andrianapoinimerina sy Aina Kathia, mandray ny toeran’i Ramanantenasoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.