Sarimihetsika Mazav’alina

Mpilalao miisa 70 no nandray anjara


  • Talata 26 Martsa 2024

Ny alatsinain’ny Paska izao, izany hoe afaka 6 andro, no handeha ao amin’ny

Efitrano malalaky ny ESCA Antanimena indray ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe «Lav’alina». Tanjona hatrany, hoy ny fampahatsiahivan’ny mpamokatra ity horonantsary maharitra 1ora sy 40 minitra ity, ny hitondra fijery vaovao mikasika izany atao hoe sarimihetsika malagasy izany. Mpilalao miisa 70 no nandray anjara tao anatin’ity sarimihetsika nahodin’ny Manjaka sary nandritry ny 6 volana ity. Nezahana, hoy hatrany ny fanazavana, ny hampiaina sarimihetsika miala amin’ny mahazatra antsika no sady tsy elanelanina dokam-barotra na ho an’ilay mandeha amin’ny 11 ora maraina io na ilay mandeha amin’ny 2 ora tolakandro.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT