kolontsaina

Sarimihetsika Malagasy Olana goavana ny tsy fanana ofisy tena miahy azy


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Niditra nandray anjara tamin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, ho an’ireo mpanakanto mpanao fanatanjahantena ary nanokatra ny lalao tetsy Ankatso ny sabotsy teo ireo vehivavy mpilalao sarimihetsika malagasy


. Isan’ny zava-kanto, hoy ny fanazavan’I Sahala Fialofa, izay mpilalao sy mpanatontosa sarimihetsika nisolo tena azy ireo, ny sarimihetsika. Anton’ny tsy nisalasalanay namaly ny fanasana izany, hoy izy. Tanjonay rahateo ny fampivondronana ireo mpilalao sarimihetsika Malagasy. Vehivavy moa hatreto no tafavory fa niitatra avy eo ny heritreritra hoe andao hanangana fikambanana ara-panatanjahantena ho an’ny kanto faha 7 mihitsy na “7e art”. Milalao ny anio aloha (TTF: ny sabotsy teo), manala azy, ifaliana foana izay vokatra eo. Fohy rahateo ny fotoana nanomanana ary mbola tsy tena misy hoe birao manao ahoana izy ity fa dia miandalana satria tena ilain’ny mpilalao sarimihetsika ny fitaizam-batana noho izany isan’ny amidy aloha amin’ny mpankafy sy mpijery. Raha mitaha amin’ny taloha dia tena nivoatra be ny sarimihetsika malagasy. Raha atao hoe 00 no naoty taloha dia efa 30 izy izao na eo aza ny tsy fahampiana ara-pitaovana satria mbola tsy afaka hampitaha amin’ny any Hollywood aloha isika. Ny fitaovana eo an-tanana no ezahana ampiasaina hanome mihoatra ny tokony ho izy ary tena nahavita dingan-dava ny sinema Malagasy. Ny tena olana goavana hatreto dia ny tsy fananan’ny sarimihetsika ofisy manokana tena miahy azy ary mbola angatahana foana izany. Misy ny OMACI teo aloha izay lasa ISSM na Ivon-toeran’ny sarimihetsika malagasy saingy tsy omena fahefana feno. Misy ampahany mankany amin’ny OMDA nefa betsaka ny fandaniana atao rehefa hanodina sarimihetsika. Matetika mijanona tsy manao fanodinana izahay rehefa avy orana na vanim-potoanan’ny rivodoza, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

Legende: Ny ekipan’ny vehivavy mpilalao sarimihetsika tetsy Ankatso
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT