Sarimihetsika Malagasy

Nodimandry ihany koa i Holilao Tolotra na « Botakely »


  • Talata 11 Jona 2024

Banga iray indray ny mpilalao sarimihetsika Malagasy.

Nodimandry omaly 10 jona maraina teo amin’ny faha-47 taonany i Andrianaivo Holilalao Tolotra (Botakely), mpilalao sarimihetsika tamin'ny horonantsary Andrebabe, novokarin’ny trano mpamokatra Scoup Digital, izay nalaza sy nitondra fialam-boly sy tsikitsiky ho an’ny Malagasy. Vao andro vitsy, ny faran’ny herinandro teo no nindaosin’ny fahafatesana i Dadamanga, mpilalao sarimihetsika teo anivon’io trano famokarana io, dia io lasa nandao io ihany koa i Botakely, kanefa vao ny volana aprily ihany koa no nandao i Emmanuel Malok’ila, raha efa ela no nialoha làlana ry Dr Johary, Mariane, Randrenja, Rabodo, Razaky, Ratoma, Ralay,… Rahampitso 12 jona no halevina eny Masomboay Kaominina Ambanivohitra Tsiafahy i Holilalao Tolotra. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo sy ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy izay banga azy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT