kolontsaina

Sarimihetsika Malagasy Nalefa tetsy amin’ny Cinepax ny « voatsinampin’ny fanantenana »


  • Zoma 17 Jona 2022

Tontosa omaly tetsy amin’ny Cinepax Tana Water Front Ambodivona ny fandefasana tamina fimaso lehibe na “projection”, hoy isika, ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Graines d’espoir”

na voatsinampin’ny fanantenana. Tanjona tamin’ny fandefasana ity sarimihetsika mifono fanadihadiana maharitra 90 minitra ity, hoy ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Fonds Yavarhoussen, izay nikarakara izany, ny fanomezana fanantenana indray ireo tanora manomboka kivikivy manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Nezahana navoitra tao anatin’ny horonantsary ny fanomezana fitenenana ireo tanora sy ny hahaizan’izy ireo handrakitra izany an-tsary hahafahany maneho hevitra. Ilay hevitra moa izany dia mahakasika ny fahitany ny hoaviny eto amin’ny firenena misy azy. Inona no heviny hahafahany manatsara izany raha mijanona eto? Hevitrana ankizy maro teto Madagasikara sy firenena hafa no ao anatin’ny horonantsary. Misy ankizy mbola tsy nahita fakan-tsary hatramin’izay niainany raha tsy tamin’ny fotoana nanodinana ny horonantsary naneho hevitra tao. Tanjona ny hanaparitaka ny horonantsary manerana ny nosy sy ireo tambazotra misy rehetra izay mifanaraka amin’ny fivoaran’ny tekinolojia ankehitriny, hoy hatrany ny fanazavana. Ilay frantsay, Pierre Beccu, moa no nanatontosa ny “Graines d’espoir”.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT