kolontsaina

Sarimihetsika Malagasy Mila kajiana ny kalitao, hoy I Tovomanana


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Ao anatin’ny fanatontosana ny sarimihetsika hivoaka ny aprily 2021 izao ankehitriny ry zareo avy eo anivon’ny trano mpamokatra, Maki prod. A

o anatin’izay anefa, hoy ny mpamokatra sy mpanatontosa, Tovomanana Eric Rabarison na Tovomanana R., dia efa nisy ireo sarimihetsika tontosa tamin’ny taon-dasa izao avoaka amin’ity taona ity izao. Misy elanelana 1 taona hatrany ny fanodinana sy famoahanay sarimihetsika, hoy izy, mba tsy ho kitoatoa. Mafy ny niatrehana ny COVID 19 tao anatin’izay volana maro izay saingy niezaka nanome fahafaham-po ny vahoaka Malagasy izahay tamin’ny alalan’ny famoahana ireo vokatra vita ny taona 2019. Olana nosedraina na izany aza ny tsy nahafahana nanapariaka ireo vokatra manerana ny nosy fa dia voatery ho nijanona teto Antananarivo, hoy izy. Manentana ny mpamokatra rehetra aho, hoy izy, mba hikajy ny resaka kalitao na eo amin’ny sary na feo na fizotry ny tantara. Afaka miara-miasa sy mifanampy isika hanatsarana ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara ary isaorako fa efa samy miezaka ireo mpamokatra Malagasy. Izaho, hoy hatrany ny tenany, dia isan’ireo mpamokatra sy mpanatontosa ankafiziko, I James Cameroun, izay nanatontosa ny sarimihetsika TITANIC ny taona 1996 satria tena misy famoronana mihitsy any anatiny ankoatry ny maha mpanatontosa ary azo heritreretina ny hahavitan’ny Malagasy sarimihetsika tsy mena-mitaha amin’ny azy, raha ny fahaizan’ny Malagasy no jerena, hoy hatrany ny tenany.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT