kolontsaina

Sarimihetsika arahina adihevitra Hahafahana manabe ny tanora


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Omaly talata 13 febroary 2018 no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny PLAZA Ampefiloha ilay sarimihetsika arahina adihevitra nokarakarain’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ho an’ny mpianatry ny lycée. Fiaraha-miasa miaraka amin’ny Canal 7 Events izy ity ary atao isaky ny talata ao amin’io toerana io.

 

 Tanjona ny fampitana ho an’ny tanora mpianatra amin’ny alalan’io sarimihetsika io ny tokony hitandremany manoloana ny fingana mety hahapotraka azy. Ao, ohatra, ny vohoka sy ny fanambadiana aloha loatra, ny fitondran-tena tokony hatao amin’ny fotoana maha adolantsento, ny aretina SIDA ... Mpianatra 400 teo avy amin’ny lycée Ambohimanambola, Andohalo, Rabearivelo ary Ampefiloha no nasaina tamin’ity  andiany voalohany ity ary ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Dzaomalaza” no nisantarana ny hetsika. Ezahina tsy ho tapaka ity seho arahina adihevitra ity, hoy Rakotojaona Lalaharontsoa, tale jeneralin’ny fanabeazana fototra sy ny ambaratonga faharoa mba ho fianarana hoentin’ny tanora mamakivaky ny fiainany. Tokony hampahafantarina sy hampanaovina  ihany koa ireo tanora mpianatra any ambanivohitra satria iaraha-mahalala ny fahambonian’ny tahan’ny vohoka tsy niriana sy aloha loatra any.


Tsiry     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT