Sangan'asan'i Michael Jackson

Ho entin'ny Quatuor & Squad


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2026

amin'ny fomba hafa mihitsy

Ho entin'ny tarika mpiangaly zava-maneno tendrena, Quatuor & Squad amin'ny fomba hafa mihitsy ireo sangan'asan'ilay mpanjakan'ny mozika Pop fahavelony, Michael Jackson, raha ny fampahantarana nataon'ny tarika ny faran'ny herinandro teo. "Quand Michael Jackson rencontre les cordes" na hoe rehefa tendrena fotsiny amin'ny zava-maneno tendrena amin'ny tanana ireo hiran'ity amerikanina manana ny lazany hatramin'izao izy efa nodimandry izao ity moa no lohateny nofidian'ireto mpanakanto malagasy mpiangaly izany ireto. Ny takarivan'ny 29 aogositra 2026 izao no fotoana etsy amin'ny Radisson Blu Ambodivona, hoy ny fanentanan'izy ireo raha te hahita an'izany. "You are not alone", "Heal the World", "Bad", "Smooth criminal", "Men in the mirror" sy ny maro hafa tsy voatanisa, araka izany, no inoana fa isany hivoaka amin'izany endriny hafa mihitsy izany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT