SANGA NANAHARY

« Tsy azo tapahana, misy dikany manokana »


  • Alakamisy 10 Oktobra 2024

Betsaka ireo kolontsaina sy soa toavina Malagasy ankehitriny no tsy dia hasian’ny olona sasany

lanjany intsony vokatry ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny fandrosoana. Maro amin’izy ireny anefa no tokony hotandremana noho ny fisian’ny heviny ambadika raha araka ny fanazavan’Ny Andriana Robert mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina. Ho an’ny sanga nanahary izay miavaka eo an-tampon-dohan’ny zaza ohatra raha vantany vao teraka izy dia nambarany fa tena mampiavaka ilay zaza tokoa. Tsy azo tapahana izy ireny raha tsy ilay tompony no manome azy. Mety hanana fahendrena lalina, manam-pahaizanabe na koa manana fahefana hifandray amin’ny hery miafina ilay zaza dia i Zanahary izany raha voahaja io kolontsaina io. Misy ihany koa anefa ny lafy ratsin’izany raha ny nambarany dia ny hamafisan-dohan’ilay zaza, ny fihetraketrahany ary ny fanimbany zavatra. Notsiahiviny moa fa i Samson vadin’i Delila, tantara ao anatin’ny Baiboly no nanana sanga nanahary voalohany teto ambonin’ny tany. Tao anatin’izany sangany izay no nametrahan’ny Nahary ny hery tao anatiny ka nahafahany nandrodana trano….
Pati
Legende : Ny Andriana Robert, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT