kolontsaina

Sambava Efa lasa tsaky ihany koa ny voay


  • Talata 23 Aogositra 2022

Tsy hahalala intsony ny voay sy ny ragidro ny taranatsika sasany atsy ho atsy. Mandeha hatrany mantsy ny fihazana sy ny fandripahana itony biby arovana itony eto amintsika,

tahaka ity tranga nampalahelo sady nahavariana izay niseho tao Sambava Centre ity ny sabotsy 20 Aogositra lasa teo. Voay manana halavana teo amin’ny2 metatra teo no fantatra fa nataona mpinamana tsaky ka raikitra ny"brochettes" voay. Tsy fantatra mazava izay toerana nitrandrahan’ireto mpinamana ireto io voay io sy ny fomba nahazoany azy. Efa matysy voadidididy izy no nisy nahita. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ny biby arovana ny voay. Ankoatra izay ho antsika eto Madagasikara dia voarara ny famonoana sy fitrandrahana voay hita eny rehetra eny. Ny voay ompiana ihany no azo vonoina sy hatao sakafo saingy mbola hangatahana alalana avy amin’ny fanjakana ihany koa ny fahafahana manao izany, izay mitaky toerana lehibe tsy manelingelina ny fahafahan’ny hafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny halavan’ilay voay natao tsaky tany Sambava
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT