Saika tsy homby ny Coliseum

Tsotra ny resaka : Goavana ry AmbondronA


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Araka ny efa nambaran-dry Beranto, Honty, Blanc, Ranto ary Kix dia kanto, raitra,

goavana ny fampisehoan'ny tarika AmbondronA ao anatin'ny Live tour 2024, omaly teny amin'ny Coliseum Antsonjombe. Ny hira aloha, efa hatramin'ny taona 2001 vao nanomboka niseho tamin'ny haino aman-jery tamin'ilay vazo hoe :"Tsy adala" ry zalahy AmbondronA dia efa tsikaritry ny mpankafy mozika fa manana haingam-panahy miavaka sy fomba fandrindrana hira hafa kely ary manintona ny sofina avy.hatrany. Efa ho 25 taona aty aoriana, dia voaporofo omaly fa matotra ary matihanina kokoa amin'ny zavatra atao ry AmbondronA, tsy hoe any amin'ny famoronan-kira ihany fa ny fisehoana an-tsehatra indrindra indrindra. Afa-po ireo mpankafy efa ho 40 000 omaly, izany ny tena hoe saika tsy homby ny coliseum. Na ireo hira taloha, na ireo vaovao dia samy noredonin'ny mpijery avokoa, tao anaty ambiansy tanteraka. Anisan'ny tarika tsy nety lefy ary nitety vanim-potoana ry AmbondronA satria raha ny hita omaly dia maro ny fianakaviana nirohotra teny amin'ny coliseum ka samy nahay tononkira avokoa na i dada sy neny na ireo zanak'izy ireo. Efa mipetraka ao anatin'ny tantaran'ny mozika eto Madagasikara toa ny hoe Mahaleo, Lolo sy ny Tariny, Rossy, Kintana 3, Jaojoby ry AmbondronA ary tsapa fa miezaka manome hatrany ny tsara indrindra no sady efa tafiditra tanteraka amin'ny fampiasana ny teknolojia amin'ny fampisehoana izay ataony.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT