kolontsaina

Sahondra Rabenarivo Lesoka fototra ny kolontsaina politika


  • Talata 05 Septambra 2017

Manomboka mibahan-toerana eto amin’ny firenena amin’izao herintaona mialoha ny fifidianana izao ny fanehoan-kevitra politika isan-karazany.

Lohahevitra iray lehibe novoaboasan’i Sahondra Rabenarivo, ohatra, ny mikasika ny «fampielezan-kevitra sy ny fivoriana mifandraika amin’ny fifidianana». Efa nilaozan’ny toetrandro ny propagandy voafetra ho 15, 21 na 30 andro nanjakan’ny mpitondra teo amin’ny resaka fampitam-baovao amin’ny vahoaka, hoy ity mpahay lalàna ity. Misongadina hatrany ny fitanilana ho an’ireo kandida eo amin’ny fitondrana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana mandritra io fe-potoana io. Tsy hita taratra mihitsy mantsy ny adihevitra malalaka sy imasom-bahoaka, araka ny fanamarihany. Manamarina izany rahateo ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fampahalalam-baovao ao anatin’izao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana (précampagne) izao. Tokony hofaritana mazava ny fampielezan-kevitra. Lesoka fototra nolovaina hatramin’izay teto Madagasikara moa ny tsy fisiana kolontsaina politika. Tsy nampivoatra ity fomba fisainana ity teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy kosa ny lafiny lalàna natao hampanginana ny adihevitra demokratika ho fanomezana vahana  ireo manampahefana, hoy io mpikambana ao amin’ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena (SEFAFI) io.

Nangonin-dRamano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT