SAHIRANA DIA MANAMBOATRA VINTANA

Mitaky sorona ny fanaovana izany, hoy Pastera Heritiana


  • Alarobia 26 Martsa 2025

Mitombo ireo karazan’olona manatona sy mandeha eny amin’ ireo

mpanamboatra vintana ireny amin’izao noho ny fahasahiranana. Toraka izany koa ireo karazana mpitsabo mipoipoitra na tera-tany vahiny na Malagasy izay samy milaza azy ho mahay zavatra avokoa ary afaka mampanan-karena na mampiova fiainana avy hatrany. Mitaky sorona hatrany anefa ny fanaovana izany raha araka ny fanazavan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Mety hety izy eny am-piandohana toy ny hoe : mahavita trano, mandeha tsara ny varotra saingy mety ho tratry ny AVC tampoka ilay olona avy eo. Io ilay sorona raha araka ny fanazavany. Mety hahazo volabe ihany koa saingy may ny trano… Hafa kosa anefa ny ao amin’Andriamanitra. Rehefa mahatsiaro tena ho ratsy vintana ny olona iray na tsy mety avokoa izay rehetra hataony dia hametrahan-tanana sy hanaovana asa fanafahana izy dia milamina ny fiainany. Tsy mila sorona Andriamanitra hoy Pastera fa mety ho azon’iny olona iny hatramin’izay zavatra tsy nangatahiny akory aza rehefa mino izy.
Pati
Legende : Mamporisika ny olona hivavaka hatrany Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT