kolontsaina

RYKALA VAZO Namoaka raki-kira hahatsiarovana an’i Mitchou


  • Zoma 27 Novambra 2020

Mafy ny fisarahana tamin’iMitchou ho an’ny tarika RyKala Vazo. Tsy mety maty

 

 

 

ao am-pon’izy ireo ity namany nindaosin’ny fahafatesana ity raha toraka izany koa ny mpankafy. Mba ho fahatsiarovana an’i Mitchou ary dia namoaka raki-kirany voalohany mitondra ny lohan-teny hoe : « Tsikonikoninay “ izy mirahavavy ao anatin’ny tarika. Raha araka ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly dia efa nokinonkinonin’izy 3 mirahavavy ity raki-kira vaovao ity ka anisan’ny handrafitra izany ireo hira niarahany tamin’i Mitchou. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nampahafantaran’i Mirana sy Vanintsoa, izany omaly. Hira 8 no mandrafitra ny horonam-peo misy an’i Mitchou, ary Ahitana kapila mangirana , misy hira 4 koa ao anatin’izany miampy horonan-tsary miaraka amin’i Mitchou. Ao amin’ny pejy Facebook-n’ny tarika RyKala Vazo moa no azo jifaina ity raki-kira voalohan’izy ireo ity raha toraka izany ihany koa ho an’ireo te-hikaomandy. Miisa 150 isa hatreto no efa natonta mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT