kolontsaina

Rovan’Ilafy Tsy namidy izany, hoy ny Ben’ny tanàna


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Nitondra fanazavana mikasika ilay resabe miely momba ny Rovan’Ilafy omaly ny ben’ny tanànan’Ankadikely Atoa Andriamanganoro Georges.

Nambarany fa tsy namidy ary tsy hamidy ny rovan’Ilafy raha mbola izy no tompon’andraikitra ao amin’io kaominina io satria na dia ny tenany aza dia hitsangana hitory izay olona manam-pikasana ny hanao izany. Fiaraha-miasa niaraka tamin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny Sinoa, hoy izy, no namefena ilay tamboho mirefy 800 metatra manodidina ity rova iray ity,  izay notsindriany mafy fa tsy misy tambiny. Vao tamin’ny herinandro teo no nanadio ny teny amin’ny manodidina ny kaominina ankoatra ny fandraisana andraikitra ataon’ireo mpiambina. Mikasika ireo razana tao an-tokotanin’olon-tsotra nividy tany teny akaikin’ny rova indray dia nomarihiny fa tsy misy hidiran’ny sinoa velively. Ireo olona nividy ny tany ireo ary manana taratasy ara-dalàna no nanao fangatahana taty amin’ny kaominina mba hanalana ireo razana teo an-tokotaniny ka nekenay. Mbola nisy ihany anefa ireo olona niezaka ny nitsoka kiririoka nanadala ny manodidina, antony nampirongatra ny fokonolona saingy nilamina ihany ny raharaha. Efa voafindra tamina toeran-kafa ihany koa ny razana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT