Tsy resabe intsony fa tena hanorenan’ny kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Avaradrano, fotodrafitrasa toy ny EPP sy ny CEG tokoa, ao amin’ny faritra misy ny Rovan’Ilafy.
Araka ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana mantsy dia tsy tokony hokitihina io faritra io, satria harem-pirenena. Ankoatra izay, hoy izy ireo, dia nokapaina avokoa ny hazo rehetra manodidina ny rova ary mbola amidy 20.000 Ar isaky ny m3 ihany koa ireo ranon-tany marobe alana eo amin’ilay toerana. Rehefa nanontaniana ny teo anivon’ny kaominina Ilafy dia nanambara ny talen’ny kabinetra fa tena hanorenan’izy ireo fotodrafitrasa tokoa ao amin’io Rovan’Ilafy io, saingy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny teknika no tena mahalala bebe kokoa ny mikasika izany. Nanambara moa ireo mponina ao Ankadikely Ilafy fa tsy ilay asa fanamboarana fotodrafitrasa loatra no tena olana, rehefa tsy maintsy atao, fa ilay fikapana hazo sy ny fiparitahan’ny vovoka mena eny an-toerana, izay ahiana hiteraka olana ara-pahasalamana ho azy ireo, indrindra fa eo amin’ny ankizy madinika. Andro aman’alina mantsy no manala ranon-tany eny amin’ny rovan’Ilafy ireo kamiao marobe manatanteraka ny asa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.