kolontsaina

Rovan’Antananarivo Misy dikany avokoa ny singa rehetra ao


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Miha lalina hatrany ny fanambarana momba ny rovan’Antananarivo izay mbola tsy mety matin’ireo mpisehatra momba ny vakoka lolo efa ho 1 volana izao. Ny taranak’Andrianonitompononitany,

 

 

 

 mpanjakan’Imerina atsimo na Vakinankaratra ankehitriny, indray no namoaka fanambarana fa miombom-po amam-panahy amin’ireo taranak’andriana merina enin-toko momba ny fiarovana sy fanomezan-kasina ireo vakoka rehetra naorin’Andriamanjaka tamin’ny fotoan’androny. Isany ny rovan’Antananarivo. Misy dikany sy heviny avokoa ny singa rehetra hatramin’ny endrika sy fitodik’io lapa io, raha ny fanazavana, na dia ny refiny sy haavony aza. Hatramin’ny akora nanorenana azy, eny ny volamena nanaovana ny satroboninahitry ny mpanjaka tao. Lavin’izy ireo, noho izany, ny fanorenana zavatra hafa ao na manala singa ao ihany koa satria tena fady izany, hoy ireto zanak’Andriana ireto. Aoka ny hetsika rehetra atao mba tsy hisy hampalahelo vahoaka fa feom-bahoaka feon’Andriamanitra, hoy hatrany izy ireo.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT