kolontsaina

Rovan’Antananarivo Ho tokanana amin’ny 26 jona 2020


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Ny 26 jona 2020 , izany hoe amin’ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara no ho tokanana ny Rovan’Antananarivo eny

 

 

Manjakamiadana, araka ny lahatenin’ny filoham-pirenena ny harivan’ny talata 31 desambra 2019 lasa teo.Ho vita afaka enim-bolana latsaka izany asa rehetra izay hiandraiketan’ny orinasa Colas .Ankoatr’ireo vakoka toa ny sary, akanjo sy fitaovana sisa tsy may, dia ho hita ao anatin’ny Rova navaozina ihany koa ny mombamomba ireo mpanjaka rehetra nifandimby : ny tantaram-piainany, ny fomba fitantanana, ny kabary natao.Hampiasa ny teknolojia avo lenta hanehoana izany isika hoy ny filoham-pirenena ka anisan’izany ny “hologramme” na fampisehoana an-tsary telozoro mihetsika (3D) ny momba ireo mpanjaka sy ny tantara.Manana nymaha izy azy amin’ny tantaram-pirenena ny Rova ary tsara ho fantatry ny Malagasy rehetra ny momba azy sy ny zavatra fonosiny.Tsara ho marihana fa tamin’ny fotoana nanjakan’Andrianampoinimerina (1787-1810) sy tamin’ny andron-dRadama voalohany (1810-1828) no nisy ny fanamboarana nametrahana ny fototry ny endriky ny Rova misy ankehitriny.Taty aoriana moa tamin’ny andron’i Ranavalona voalohany dia efa nanohy ny fanamboarana sy fanitarana ilay teratany Frantsay Jean Laborde; izay nodimbiasan’ilay Ecossais James Cameron taty aoriana.Ny 6 novambra 1995 no nirehitra ny Rova ka potika sy rava ny ankamaroan’ireo vakoka notahirizina tao.Ankavitsiana no sisa avotra ka napetraka indray tao amin’ny lapan’Andafiavaratra.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT